Mandeha ihany koa ny fanararaotana amin’izao fotoanan’ny fihibohana izao. Sarety miisa telo nitondra hazo sarobidy miisa 28 no tra-tehaky ny mpitandro ny
filaminana tao Bemihinjy mihazo an’Ampasy, distrikan’i Morondava ny 07 Aprily teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nokasain’ilay tompony izay ati-doha hamidy amin’ireo mpiraiombin’antoka aminy ireto hazo sarobidy ireto raha olona iray kosa no tratra niaraka tamin’ilay sarety. Tsy mbola fantatra moa na ity farany no tompon’ireo hazo sarobidy ireo na olon-kafa. Manao antso avo amin’ireo mpitandro ny filaminana izay manara-maso ny fivezivezena eny rehetra eny araka izany ny eny ifotony mba ho malina tsara mandritra izao fotoanan’ny fihibohana izao. Tsy vitsy ihany koa mantsy ireo manondrana rongony an-tsokosoko toy ireo tratra teny amin’ny tsenan’Anosibe farany teo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.