Morondava

Ray nanolana zanaka vavy nidoboka am-ponja


  • Talata 07 Janoary 2025

Mirongatra ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy any amin’ny distrikan’i Morondava,

Faritra Menabe. Raha araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia Raim-pianakaviana iray 35 taona no tratra nanolana ny zanany vavy vao 15 taona monja ny herinandro teo. Teo am-panaovana ny filan-dratsiny mihitsy itsy voalohany no tratra ka taorian’ny niakarany teo anivon’ny Fampanoavana dia naiditra am-ponja vonjimaika ny anaolahy mba ho famaizana azy. Ankoatra ity tranga ity dia Ray aman-dRenina vehivavy iray ihany koa no tonga nitory teo anivon’ny mpitandro ny filaminana noho ny vono nataon’ny vinantolahiny tamin’io zanany vavy io. Nambaran’ireo tompon’andraikitra any an-toerana fa tsy voatery ilay olona lasibatra no mitoroka fa afaka mitoroka avokoa izay rehetra manana porofo ho fiarovana ny ain’olombelona. Matetika mantsy hoy izy ireo dia mihatra aman’aina hatrany izany rehefa tsy misy fepetra raisina. Tsy ho an’ny distrikan’i Morondava ihany moa no nanaovan’izy ireo izany fanentanana izany fa ho an’ireo distrika miisa 5 mandrafitra ny Faritra Menabe manontolo mihitsy.
Pati
Legende : Betsaka ireo vehivavy vonoim-badiny tahaka izao ao an-tokantranony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT