MOROMBE-RIVO-DOZA ALVARO

Ny tanimbary no tena lasibatra, olona 365 no tsy manan-kialofana


  • Alakamisy 04 Janoary 2024

Saika ny tanimbary fiharian'ny mponina ao Morombe no lasibatry ny

ranobe navelan'ilay rivo-doza Alvaro tany an-toerana raha ny vaovao azo. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia ity distrika iray ity no nidiran’io rivo-doza io tamin’ny datin’ny 01 janoary lasa teo , izany hoe : ny voly mihintsy no dibo-drano. Ankoatra izay dia tafakatra hatrany amin’ny 60 % ny fahasimban'ny foto-drafitrasam-panjakana ankoatra ireo tranon’olon-tsotra. Fianakaviana maherin’ny 60 isa ahitana olona 365 isa kosa no fantatra fa traboina . Tonga nijery ny zava-misy tany an-toerana omaly Alarobia 03 Janoary ny tale jeneralin’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja niaraka tamin’ny PAM. Nisy ny fanolorana fanampiana voalohany ho vonjiranovaky ho an'ny mponina nandritra izany izay nahitana vary 1 taonina, miampy menaka 100litatra teo ihany koa ny lay misy ody moka avy amin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka miampy an'ireo fitaovana ilaina amin'ny andavanandro’ny mponina avy amin' ireo mpiara-miombon'antoka ,raha nanolotra bisikoitra misy otrikaina kosa ny avy amin’ny PAM. Efa tonga ao Morombe koa ireo moto pompe fanampin'ireo moto pompe izay efa nampiasaina nitrohana rano tamin'ny fandalovan'ny freddy farany teo. Marihina moa fa hanomboka anio Alakamisy ny fanadiovana ny tanàna izay hatao mandritra ny 5 andro ka ny BNGRC ihany no handray an-tanana ny lany amin'izany. Efa misy kosa ireo fitaovana toy ny tronçonneuse sy ny hafa hahafahana manatanteraka ny asa. Pati
Legende : Nandritra ny fandalovan’ny tale jeneralin’ny BNGRC tany an-toerana omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT