Asa indray izay hetsika hataon’ny mpiasan’ny Jirama, fa ny an’ny Air Madagascar aloha dia efa azo ambara hoe maty an-karanany ilay fitakiana
Ireo mpampianatra FRAM kosa dia mbola mitady tsara ny hametrahana ny tongotra. Manomboka mampiaka-peo ihany koa ny mpitsara ka tsy manaiky ny fomba nifidianana ireo solontena roa an’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara ho ao amin’ny HCC. Izay ve ilay hoe resy izahay fa tsy mbola milavo lefona, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny SMM ? Izay aloha ny zava-misy, na ahoana na ahoana ambara dia tsy milamina ny firenena, satria ahitana savorovoro avokoa ireo sehatra saro-pady eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tsy misy ny vahaolana matotra azo tsapain-tanana avy amin’ny mpitondra, kabary no betsaka, avy eo fihetsiketsehana ety ivelany. Tsy misy olana ny fidiran’ny mianatra ho an’ny sehatra tsy miankina izay efa nanomboka tamin’ny herinandro sy hitohy amin’ity herinandro ity, fa mba hanakory kosa ny an’ny fanjakana ? Mbola amin’ny volana oktobra moa ny fidiran’ny mpianatra ofisialy, maro be ny zavatra mety mbola hitranga mandra-pahatongan’izay, fa dia miandry am-pitaintainana aloha ny ray aman-dreny manana zanaka mianatra eny amin’ny EPP, indrindra indrindra e ! Mampanahy be ihany ilay zava-misy eto amin’ny firenena, mampatahotra ny fahatsapana fa tsy mahafehy ny zava-mitranga ny mpitondra ary na ny mamono afo aza tsy vitany akory. Sarotra be mihitsy ve ny misoroka ilay olana e ? Sa tena andrasana hisy fipoahana ara-tsosialy mihitsy eo vao hihetsika ? ary ny tena mahatalanjona dia mitoetra tsara amin’ny sezany ireo mpitondra fa tsy mba misy mahatsapa tena hoe tsy mahavita azy ka miala tahaka ny fahita any amin’ny tany demokratika rehetra. Madagasikara : « le pays du moramora » angamba ny eto ka, ny mpanjanatany no nametraka an’io, notohizan’ny fitondrana FAT tamin’ny moramora isan-karazany (tsena mora, trano mora …). Noraisin’ny repoblika faha-4 indray ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.