Actualités

MORAMANGA Zazavavy telo no voaolana tao anatin’ny iray volana


  • Alakamisy 02 Martsa 2023

Mihamahazo vahana hatrany ny fanolanana eto amintsika. Ho an’ny distrikan’i Moramanga manokana dia zazavavy kely miisa 3 no niharan’izany tamin’iny volana Febroary nivalona iny.

Vao tamin’ny 17 Febroary teo ny farany tranga niseho tao amin'ny Fokontany Ambodigavo kaominina ambanivohitra Lakato. Zazavavy kely 8 sy 11 taona izy ireo izay voalaza fa iraitampo ary samy voaolana avokoa. Tamin’ny Alahady 26 febroary teo vao fantatra ilay tranga ka nentina niakatra namonjy toeram-pitsaboana tao amin'ny Hopitaliben'nyi Moramanga CHRD avy hatrany izy ireo ka efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Nahitana trangana fanolanana hafa ihany koa tao amin'ny Fokontany Tsaralalana kaominina ambonivohitr’i Moramanga. Zazavavy kely iray 14 taona indray no lasibatra tamin’izany. Manoloana ireo tranga ireo moa dia mijery akaiky izany ny sampan- draharaha miadidy ny mponina ao Moramanga sy ny tambazotra miaro ny ankizy ao anatin’ity distrika iray ity na ny RPE. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana avokoa moa ny raharaha raha noraisin’ny RPE, ny sampandraharahan’ny ministeran’ny mponina ary ny orinasa Ambatovy ny fandraisana an-tanana azy ireo.
Pati
Legende : Manaraka fitsaboana eto amin’ny CHRD Moramanga avokoa izy telo mirahavavy kely ireo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT