Hiatrika fitsarana any Moramanga
rahampitso talata faha-24 febroary ny mpandraharaha iray noho ny trafikam-biby arovana toy ny varika sy ny sokatra. Nosamborin’ny zandary andro antoandro tao ampovoan-tsena monisipaly Moramanga ny olona nahiahiana ny fiandohan’ity volana ity taorian’ny fahazoana loharanom-baovao marim-pototra. Natolotra ny Fitsarana ny raharaha taorian’ny fanadihadihana natao azy. Nahazo fahafahana vonjimaika ilay mpandraharaha voapanga rehefa avy nandalo Fampanoavana ary dia izay hiatrika fitsarana rahampitso izay. Midika izany fa voamarina ny fisian’ny fandikan-dalàna ka misy ny vesatra anenjehana azy ara-pitsarana. Tsy vao sambany nanan-draharaha maizina tany amin’ny Fitsarana any Moramanga ilay mpandraharaha, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Manamafy ny fiarovana ny harena voajanahary eto Madagasikara, indrindra ny biby sy ny zavamaniry mampiavaka ny Nosy, ny mpitondra ankehitriny. Milaza ihany koa fa tsy andeferana velively ny trangana kolikoly. Misy endrika kolikoly hatrany ao ambadik’ireny trafikam-biby sy zavamaniry ireny. Misy ny sazy henjana tondroin’ny lalàna mifanandrify amin’izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.