Monja Roindefo Zafitsimivalo

Nahavita ny adidiny ho an’i Toliara


  • Zoma 15 Mey 2026

Itompokolahy Rabehaja Jean»

Isan’ireo tonga nankahery ny fianakavian’Itompokolahy Rabehaja Jean, ben’ny tanànan’Ambonivohitra Toliara I sy Solombavambahoaka teo aloha, izay namoy ny ainy vao tsy ela, ny filohan’ny antoko politika Monima sady praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo Zafitsimivalo. Nahavita ny adidiny ho an’i Toliara sy ny firenena ity olomboafidy lavo ity tamin’ireo andraikitra efa niantsorohany, hoy ny filohan’ny Monima. Nitondra ny anjara birikiny ihany koa teo amin’ny sehatry ny tanora, tamin’ny alalan’ny fanatanjahantena, indrindra fa ny taranja «Hand-ball» teo anivon’ny Asco sy ny ekipa nasionaly. Tsaroako ny fitantarany tamiko fa talohan’ny niankanjoany ankanjo politika hafa dia Monima izy hatramin’ny fahazazany satria hoy izy mpiara-nivory foana niaraka tamin’ny Raibeny tao Sanfilo izy, foiben-toeran’ny Antoko Monima. Mba hanamarinany ny fitantarany dia nohirainy tamiko ny hira fanevan’ny Antoko Monima «Ry malagasy maro mitsangàna izao, njao ny feon’ny tanindrazanao ka henoy, ….». Ny Rainy koa moa dia Andriamatoa Biahary Redogony Tsibiby, dia mpiaraka manao fitetezam-paritra tamin’ny Raiamandreny Monja Jaona fony fahavelon’ity farany, talohan’ny nidirany ho Arema. Voaofana tamin’ny sekolin’ny fitiavan-tanindrazana izy ary dia nahefa tokoa ny adidiny teto amin’ny firenena. Olona nandala fihavanana izy ary nahavita asa sosialy. Mandria am-piadanana Zandrilahy Rabehaja Jean, hoy hatrany i Monja Roindefo Zafitsimivalo!
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT