Actualités

Monja Roindefo Tsy olona 500 no hanapa-kevitra ho an’ny firenena


  • Alatsinainy 08 Martsa 2010

Tsy manan-kery ary azo atao hoe tsy misy dikany mihitsy ny zavatra notapahana nandritra ny atrikasa “Teny Ifampierana” ny alakamisy sy zoma lasa teo teny Ivato, araka ny fanambaran’i Monja Roindefo.

Nanamafy ity praiminisitra teo aloha ity fa tsy olona 500 mihitsy no hanapa-kevitra ny amin’ny tokony hitantanana ny raharaham-pirenena, tsy hamaha ny krizy izany fa vao mainka hampitombo azy, hoy i Monja Roindefo. Nandefa solontena teny amin’ity fihaonana ity moa ny antoko Monima tarihiny tamin’ny alalan’i Masimana Manantsoa, minisitry ny atitany voalohany tato anatin’izao fitondran’ny HAT izao, saingy nandao ny fivoriana ary tsy nety hanatrika izany intsony satria tsy mety ary tsy manara-dalàna sy tsy araka ny tokony ho izy ny fakan-kevitra sy fizotry ny adihevitra araka ny filazany. Manamafy hatrany moa ity praiminisitra teo aloha ity fa ny fanaovana fikaonan-doham-pirenena, handraisan’ny ankolafy rehetra anjara ihany no vahaolana tena mahomby amin’izao krizy izao. Ao anatin’io karazana fivoriambe io no hanaovana ny fifanazavana sy fifamelana ary fifandresen-dahatra rehetra. Anisan’ireo manakiana mafy ny fomba fiasan’i Andry Rajoelina sy ireo manodidina azy amin’izao fotoana i Monja Roindefo sy ny Monima, ary efa nambaran’izy ireo fa tsy alahelon-tseza no anton’izany fa noho ny fitiavan-tanindrazana.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT