fanohanana fa tsy faminganana no ilaina!»
Maro amin’ireo mpitsikera sy miezaka mamingana ny Fitondrana mijoro ankehitriny no mpanao politika « frustrés », izay ahitana ireo very seza niaraka tamin’ny fitondrana teo aloha sy ireo tsy nahazo toerana noho ny tsy fahafenona fepetra, hoy Atoa Mohamed Razafiberison, Sekretera Jeneralin’ny Sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja mikasika ny fitantanana ny Firenena izay mbola tsy ampy roa volana. Aminy, na vao roa volana latsaka aza ny Fitondrana, dia efa hita ny ezaka lehibe. « Amin’ny maha mpitarika sendika ny tenako, dia tsapako fa efa manao ny ezaka rehetra azo atao ny Fanjakana na dia vao 2 volana latsaka aza izay. Ohatra amin’ireny ny resaka efa nataon’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola ho anay mpiasam-panjakana fa hiakatra 14% ny karama manomboka amin'ny taona vaovao, efa hita ao amin'ny « loi de finances 2026 » izany, izay zavatra nandrasanay sy notakianay sendikaly rehetra tao anatin’ny 3 taona tsy nisy, kanefa vao tonga izao fitondrana izao dia efa manana an’izany finiavana izany ». Tahaka izany ihany koa ny fampiakarana ny « indemnité de logement » ho 200 000Ar ho an’ny mpiasam-panjakana latsak'izany amin’ny jona 2026 raha tsy diso aho», hoy i Mohamed Razafiberison.. Ho azy, ezaka lehibe izany ary efa misy fiovana ho an’ny mpiasam-panjakana. Ho an’ny fiovana ho an’ny Firenena manontolo, nahitsy izy naneho fa tsy misy fahagagana satria tsy misy« baguette magique ». Ekena fa mbola misy ny olana sosialy. Ny delestazy, ohatra, efa hatramin’ny taona 2002 nifandimby hatramin’izao. Ny Fitondrana ankehitriny dia mieritreritra hanao fanovana amin’ny sehatra rehetra, anisan’izany ny Minisiteran’ny Angovo. Efa misy ezaka atao, na fohy ezaka na lavitra ezaka, saingy tsy ho vita ao anatin’ny iray na roa volana fa mandeha tsikelikely. Iaraha-mahita fa misy ny asa sy ny ezaka ataon’ny Fitondrana. Ny fanapahan-kevitry ny Fitondrana dia ahatsapana fa misy ny finiavana, ka ohatra manaporofo izany ny finiavana hampanjaka ny Fanjakana tan-dalàna, hahafahana mitsara ny rehetra amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, ary ny Filoham-panjakana mihitsy no nilaza fa vonona hotsaraina raha misy raharaha mahakasika azy. Ny mpanao politika indray no matetika mandrirotra amin’ny tsy tokony ho izy. Betsaka ny teo amin’ny fitondrana taloha fa tsy hita izay tena vitany, ka amin’izao fotoana izao dia fotoana fanovana, tokony hiara-hientana ny rehetra. Ny Filoham-panjakana efa niteny fa tsy filatsahana amin'ny fifidianana no tanjona fa fanovana ifotony, amboarina ny rafitra rehetra vao miroso amin’ny fifidianana.
MILA HOVANA NY FANAOVANA POLITIKA ETO
Niantefa amin’ny FFKM izay heverina fa hitarika ny « concertation nationale » sy ny Rtoa Minisitry ny fanavaozana noho izany ny tenany, dia tokony hampidirina anatin’ny fanavaozana ihany koa ny fanatsarana ny tontolo politika sy ny mpanao politika. « Ny fanaovana politika sadasada sy misababaka io no isan’ny namotika ny Firenena, ka tokony haka lesona amin’ny Firenena matanjaka izay mazava tsara ohatra ny antoko havanana sy havia. Eto kosa an-jatony ny antoko politika, tsy fantatra na manohitra na manohana. Misy aza ny sasany miady sisika ao anaty governemanta sy ao anaty birao maharitra ny andrim-panjakana, avy eo manenjika sy manaratsy indray ny Fanjakana, ka izany no isan’ny zavatra tokony hovaina », hoy hatrany ny tenany. Nilaza i Mohamed Razafiberison fa tena manam-piniavana sy tia tanindrazana ny Filoham-panjakana, ary ny Praiminisitra dia matetika miresaka aminy aho, hoy izy, fa tsy vitan’ny hoe teknisianina ihany izy fa tena olona mendrika azo itokosana sy antenaina, tena vonona hanao zavatra izy, ka ny asa no tokony hitsarana ny Fitondram-panjakana fa tsy ny endrika ivelany. Aminy, raha maharaka ny hafainganam-pandehan’ny Filoham-panjakana sy ny Praiminisitra ny mpikambana ao anaty governemanta, dia avelao hiasa aloha. Raha misy tsy maharaka kosa, azo atao ny manova aorian’ny tombana, satria fanao izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.