Mobile money

Tsy eken’ireo orinasa ny fakana haba 0,5%...


  • Alarobia 20 Novambra 2024

Melohin’ireo orinasa misehatra amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday eto Madagasikara,

 izany hoe ny MVola, ny Orange Money, ny Airtel Money ny fakàna hetra 0,5% amin’ny fifanakalozam-bola mihoatra ny 150.000 Ariary amin’ny alalan’izany, raha ny fanambaràna miaraka an-gazety nataon’ireto orinasa miisa 3 ireto nataony ho aparitaka am-pahibemaso manomboka amin’ity anio ity. Tsy ho zakan’ireo vahoaka miisa 23 tapitrisa misitraka ny tolotra omenay ny mety ho vokatr’izany, hoy ny fanambaran’izy ireo. Mety hahavoatery ny orinasa ampiakatra sarany avo 2 na 5 heny mihoatra ny ankehitriny izany, raha ny fampiasana mahazatra azy ao an-tokantrano no ambara. Mety ho tafiakatra avo 10 heny izany ho an’ireo fifanakalozana ara-bola ara-barotra ka noho izany dia mety hiteraka fidangan’ny vidim-piainana ihany koa, hoy hatrany ny fanazavàna. Mpiasa (agents de distribution na Cash Points) miisa 164 000 eo no voakasika mivantana amin’ity fakana haba ity, ary mety hisy fiantraikany amin’ny vola miditra amin’izy ireo, loza manambana ny fahamarinan-toerana ara-toekaren’ireo mpiasa ireo izay mamelona olona hatrany amin’ny 1 tapitrisa eo ho eo io, raha ny navoitran’ireo orinasa ireo hatrany. Sokajian’izy ireo ho mampihisatra ny fidirana amin’ny toekarena Malagasy amin’ny « digitalisation », mampihazakazaka ny fihariana tsy ara-dalàna, mampihena ny fidiran’ny vola vahiny na « devises », miteraka fahakiviana ho an’ireo mpampiasa vola na eto an-toerana na avy any ivelany, mifanohitra amin’ny fampiroboroboana fivelarana ara-bola,… Amin’izy ireo, tsy vahaolana io fakana haba io, fa ny tena làlana dia ny fanohanana ny fampiroboroboana ny tontolon’ny « Mobile money » tena hivelatra satria ny fampiroboroboana malalaka tsy misy sakantsakana dia azy dia hampiditra 50 miliara Ar amin’ny fampidiran-ketra fanampiny ho an’ny 2025, raha ny tombatomban’ireo orinasa. Ny « digitalisation » amin’io sehatra io izay ambara fa fanavaozana ara-toekarena, dia hitondra hatrany amin’ny 100 miliara Ar amin’ny fampidiran-ketra satria hampiakatra avo roa heny ny fikirakirana vola amin’ny « mobile money »,… Nanamafy noho izany ireo orinasa, fa fiarovana ny mpanjifa sy toekarena no ataony, ka tena mampiahiahy azy ireo ny fanapahan-kevitra tsy nisy fifampiresahana. Hanao ahoana ny tohiny ?
J. Mirija sy Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT