Moana very hita tao Soavimbahoaka

Milaza ho nampijalian’ny olona nipetrahany


  • Alatsinainy 03 Jona 2024

Milaza ho nampijalian’ny olona nipetrahany ilay vehivavy moana very hita tao Soavimbahoaka,

kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano afak’omaly sabotsy 01 jona lasa teo. Ny soratsoratra nataony tamin’ny tany sy ny fihetsiny no nahafantarana izany raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany. Mbola tamin’ny alalan’ny fihetsika ihany koa no nanehoan’ity Ramatoa moana ity fa betrohan’ilay olona nipetrahany izy rehefa mampirehitra afo…Harona kely no any aminy raha tsy misy taratasy hahafantarana azy kosa na ireo fianakaviany. Mbola tazonin’ny Sefom-pokontany ao aminy noho izany ity vehivavy ity hatramin’ny omaly Alahady hariva fotoana nanoratanay. Ny fokonolona tao Soavimbahoaka moa raha tsiahivina no nahita ity vehivavy moana ity nirenireny teny an-toerana ka nanatitra azy tao amin’ny Fokontany. Ho an’ireo mahafantatra na mahalala ny fianakaviany dia afaka miantso ny laharam-pinday 0345926058.
Pati
Legende : Ity ilay vehivavy moana very hita ao amin’ny Fokontany Soavimbahoaka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT