Resy am-boninahitra ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, Razafiarison Iony niatrika ilay ady
“Mixed Martial Arts Bellator” natao tany Las Vegas Etazonia ny sabotsy alina teo. Tamin’ny isa tery dia tery 29-28 no nandavoan’ilay amerikanina Fissori Bryanna azy tamin’io ady goavana io. Niteraka resabe ihany ny fanapahan-kevitry ny mpitsara satria ny mpanazatran’Iony sy ny ankamaroan’ireo mpijery dia samy nahita fa nanatombo ity teratany Malagasy ity. Marihina fa ity Bellator ity indray izao no hetsika goavana indrindra amin’ny ady malalaka aorian’ny UFC.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.