Miziriziry ho tsy meloka i Romy A.

« Tena nampiasa ny maha olona mahatokin-dRajoelina »


  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Niakatra fitsarana tany Londres ny talata 06 febroary 2024 lasa teo Rtoa Romy Andrianarisoa,

Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha. Nanitrikitrika hatrany ny tenany, fa tsy meloka na «non coupable », raha ny tatitra. Tena nampiasa ny fahefany ity Tale kabinetran’i Andry Rajoelina teo aloha ity hahazoany tombontsoa amin’ilay orinasa Gemfields, hoy kosa ny tatitry ny lahatsoratra navoakan’ny REUTERS taorian’ny fitsarana. Voampanga ho nitaky vola be tamin’ny Gemfields izy teo anelanelan’ny taona 2021 sy 2023 mba hanampiana ny orinasa hanitarana ny orinasany eto Madagasikara. "Mbola mpanolotsaina mahatokin'i Rajoelina I Romy tamin'ny fotoana voalaza fa nanaovany ilay fandikan-dalàna ary afaka mandresy lahatra an-dRajoelina hankatoa ny fitrandrahana », hoy ny mpampanoa lalàna Alex Leach tao amin'ny Southwark Crown Court Fitsarana Britanika. Nambarany ihany koa fa tamin’ny taona 2021 dia nihaona tamin’ireo Tomponandraikitra ambony ao amin’ny Gemfields i Romy Andrianarisoa, anisan’izany ny Tale jeneralin’ny orinasa Sean Gilbertson, izay antenaina hanome porofo momba ny mety hisian’ny fitrandrahana eto Madagasikara. Tamin’io fihaonana io no nilazan’ i Romy Andrianarisoa mazava fa misy fifandraisany mivantana amin’ny filoha ny tenany”, hoy ihany i Leach. Nanatona ny National Crime Agency (NCA) any Grande-Bretagne i Gemfields taorian’ny nahafantarana fa nitady tsolotra i Romy Andrianarisoa sy Philippe Tabuteau mpiara-miasa aminy. Ny NCA avy eo dia nandefa olona mpitsikilo miafina, mody nolazaina ho mpanolotsaina nifampiraharaha tamin'ny anaran'i Gemfields, hoy ny mpampanoa lalàna. “Tao anatin’ny fihaonana taorian’izay, no dia nandray feo an’i Romy Andrianarisoa sy Philippe Tabuteau izay nangataka tsolotra ity tompon’andraikitra miafina ity, ho tambin’ny fampiasana ny fahefany amin’ny fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara”, hoy i Alex Leach. Araka ny fiampangana azy, dia voalaza fa nitady vola manodidina ny 270 000 Suisse francs (310 000 dolara), miampy ny « action » 5%-n’ny orinasa mpitrandraka Gemfield eto Madagasikara izy ireo. Mbola mitohy ny raharaha hatreto, ary andrasana ny didy raikitra avy amin’ny Fitsarana Britanika. Ny tsy fihaiken’i Romy Andrianarisoa ho meloka dia mety hanitatra ny raharaha any amin’ny olona heverina fa mpaniraka sy atidoha miaraka aminy.
FISANDOHANA NY FANJKANA MALAGASY TOKOA VE ?
Ny azo antoka aloha, dia tsy ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika irery no mpamoaka sy mpanasonia ny fifanarahana goavana momba ny harena an-kibon’ny tany, fa mety iraka ihany ny tenany. Tsy mbola nisy ihany koa raha ny fanamarihana ny fitoriana nataon’ny Fanjakana Malagasy manamafy fa tsy mahafantatra an’ity diany tany Londres ity ny Fanjakana, na koa mandetika azy ho misandoka andraikitra mampiasa ny anaran’ny Fiadiadidian’ny Repoblika na koa ny toerana niandraketany na mety ho ny anaran’ny filoha Rajoelina mihitsy aza, nentina nitakiana vola tsy toko tsy forohana tamin’ny kolikoly avo lenta. Sary efa nitranga ihany koa tamin’ny naha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika azy ny fipariahan’ny taratasy saropady nalefa tamin’ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina mikasika ny famatsiam-bola ny fifidianana ny aprily 2023, izay heverina fa tsy asany, fa notombanana ho iraka nampanaovina azy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT