Ny zoma 15 desambra lasa teo no nandeha ny Fitsarana azy telolahy
nitoraka angidimby tany Alarobia Vatosola, distrikan'Andramasina nandritra ny fampielezan-kevitra nataon’ireo olona miara-dia amin’i Andry Rajoelina ny 8 novambra 2023. Nihorakoraka ireo olona rehefa tonga ny ekipan’ny volomboasary, ary voalaza fa saika tsy tafapetraka mihitsy ny angidimby, nisy ireo nitoraka izay voalaza fa nanimba ny elatr'ilay angidimby. Raikitra ny fisamborana sy fanadihadiana ary dia nambaran'ny fitsarana fa meloka ireo voampanga 3 lahy ary migadra 5 taona an-tranomaizina, sazy mihatra. Fanimbana angidimby, herisetra sy hetraketraka moa no vesatra niampangàna azy ireo. Andaniny, tsy nisy tohiny, tsy nisy resaka ny fanimbana ny fananan’ireo kandida ho filoham-pirenena. Raha tsiahivina, ny 02 oktobra niantombohan’ny hetsika nataon’ny Firaisankinan’ny kandida dia efa nisy ny fanindronana antsy ny kodiaran’ny fiaran’izy ireo. Isan’ny tsaroan’ny rehetra ihany koa ny famporisihana sy fandrisihana andian’olona sy « gros bras » teny Andavamamba ny 17 oktobra, nitoraka sy nanimba ny fanan’ireo kandida Filoham-pirenena, ka isan’ny tena lasibatra tamin’izany ny fiara Mercedes Class G an’i Marc Ravalomanana. Nandeha hatramin’ny fidarohana tamin’ny seza, eny fa hatramin’ny fitorahana tavoahangy feno «pipi ». Nisy an’ilay tranga nilazana fa nodomin’io fiara io no nahafaty ny vehivavy iray mpikatroka TGV, ka nanao be fiavy tetsy Faravohitra ny mpitandro filaminana, haka an’ilay fiara, efa nentina hatramin’ireny fitaovana fibatana azy ireny. Saika lasibatra tamin’ny hetraketraka ireny avokoa ny fananan’ireo kandida ka anisan’ny nitory Atoa Hajo Andrianainarivelo, tonga teny amin’ny sampan-draharahan’ny zandarimaria na ny DGSR teny Betongolo mihitsy fa moa mba nisy tohiny ? Betsaka avy hatrany no naneho ny andron’ny omaly, fa miharihary ny mizana tsindrian’ila, fitsarana miangatra,... izay vao mainka mamboly lonilony lalina sy mety hitambatra hiteraka fipoahana aoriana. Mbola endrika maneho an’ireny ny ahiahy amin’ny mety fisiana fitanilana ny famotsorana ireo « gros bras » nigafy voasambotra tetsy Mahamasina ny 08 novambra, kanefa ireo olona nosamborina tamin’ny fihetsiketsehana ara-politika mbola misy 5 any am-ponja izay amin’ny 20 janoary vao hivoaka ny didim-pitsarana. Manamafy ny ahiahy amin’ny fahaleovantenan’ny fitsarana eo anatrehan’ny mety ho endrika tsindry sy baiko avy amin’ny mpanao politika ny amin’ny fampandehanana na tsia ny dosie sy raharaha mafampana ary ny fanapahan-kevitra na didy mifandraika amin’izany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.