Miverina indray ny delestazy

Nahatratra adin’ny 5 ny teny Itaosy omaly


  • Talata 12 Septambra 2023

Mbola tsy mety tapitra ihany ny delestazy mahazo ny mponina eto Antananarivo sy ny manodidina na dia mbola

mikasa ny hiverina eo amin’ny fitondrana ihany aza ny mpitondra teo aloha. Niaina izany nandritra ny ora 5 be izao ny mponin’Itaosy omaly. Nanomboka tamin’ny 02 ora sy sasany folakandro izany fahatapahana izany ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 07 ora sy sasany alina. Tapitra nihitsoka avokoa vokatr’izany ny asa fivelomana mandeha amin’ny herinaratra rehetra. Anisan’ireny ny mpivarotra trondron-dranomasina, ireo mpanao volo, ny cybercafé, ny mpanamboatra kodiarana…Fa ny tena nampalahelo dia ny nijery ireo ankizy mpianatra vao manomboka ny taom-pianarana manao devoara amin’ny labozia. Sady reraka ny maso no sahirana ny saina noho ny tsy fahampian’ny hazavana tao an-tokantrano. Efa niomana ny hihetsika moa ireo mponin’Itaosy omaly hariva vao niverina ny jiro. Efa diso mankaleo ny olona rahateo ny hafitsoky ny JIRAMA. Ny faktiora tsy aterina, ny jiro mbola tapa-dava ihany nefa ny sarany midangana andro aman’alina.
Pati
Legende : Nandehabe ny tsenan-dabozia omaly teny Itaosy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT