Raha misy olana ara-tsosialy tena mampikolay vahoaka amin’izao fotoana izao,
dia isan’ny lohalaharana ny delestazy, indrindra fa ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra sy ireo miray tambajotra aminy ao anatin’ny RIA. Tsy mba fivoarana no hita, fa tena mitombo andro aman’alina ny fahatapahan-jiro. Efa serasera miverina sy mahatofoka ny an’ny Jirama izay milaza fa fihenan’ny tosiky ny rano any Andekaleka ka tsy maintsy miroso amin’ny fahatapahana mifandimby. Raha adin’ny roa teo aloha, niakatra adin’ny telo, dia efa mananika ny ora 4 hatramin’ny 6 isaky ny fahatapahana. Tsy mijanona ho fahatapahana indray mandeha ao anatin’ny iray andro, fa tena maraina, atoandro, ariva, alina misy foana ary tena anatin’ny ora maro. Ankoatra ny alina tsy misy jiro, dia mbola tsenain’ny delestazy ny maraina vao mifoha. Mandeha kely ora vitsy dia mangotraka indray ny misandratr’andro, ny tolakandro amin’ny 1ora hatramin’ny 5ora hariva tapaka, dia mandeha kely indray, dia tapaka amin’ny 7ora sy sasany hariva, dia miverina amin’ny 10 ora alina na mahery, misy fahapatahana indray ny sasany amin’ny 11ora hatramin’ny 3ora maraina,… dia tahaka izany hatrany. Efa « refrain » miverina foana ilay tsy fahampian’ny tosiky ny rano fa angaha vao tamin’ity taona ity no nisy lohataona ? Tsy mba mihena ny olana, tsy mihena ny delestazy fa vao mainka mitombo. Ny faktiora anefa mitomboka foana, ary vao mainka miha lafo, sady mbola saziana 5% amboniny ny vahoaka vao tara fandoavana. Ny fihariana mila herinaratra tapitra maty sy potika ka amin’ny fomba ahoana no hanefana faktiora ? Inona no mba fepetra sy fitsinjovana vahoaka ataon’ny fitondrana ? Miharihary hatrany ny maha Mpitondra mpandainga sy mpampanantena poakaty raha tsy hampahatsiahy afa-tsy ilay 400MW anatin’ny 5 taona nolazaina tamin’ny 2018. Izao mandeha avokoa izao serasera mipoapoaka, soniam-piaraha-miasa momba ny angovo, filazana fa nanome toky ny firenena izatsy na izaroa tahaka ny Frantsay nandritra ny dian’Atoa Rajoelina farany tany Frantsa, ny Afrikanina taorian’izay, ny sinoa, ny Vondrona Africa 50,… Nialohan’ireny ny filazana fa hahavitan’ireo toby mpihary herinaratra amin’ny herin’ny masoandro miisa 46 hamokatra 50MW ho vita hatramin’ny faran’ny taona,… Dia aiza ho aiza sy manao ahoana izany izao ? Mbola ny serasera hatrany no betsaka, fa ny vokatra poakaty ny ankamaroany hatreto !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.