Actualités

Mitombo hatrany ny takaitran’ny rivodoza Niakatra ho 33 ny maty, 20 mbola tsy hita popoka


  • Alarobia 01 Febroary 2023

Araka ny antontan’isa voaray avy amin’ny BNGRC omaly 31 janoary 2023 tamin’nyy 8ora alina, tafiakatra 33 ireo namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso.

Raha 27 izany ny alahady teo, dia niampy 6 fanampiny izany hatramin’ny omaly tamin’ny 4ora sy sasany hariva. 20 kosa ireo mbola tsy hita popoka hatramin’izao. Na efa ela aza no tafavoaka any an-dranomasina ary heverina fa efa levona ilay rivodoza, dia mbola mitombo ireo takaitra navelany, raha tarafina amin’ny antontan’isa. Tafiakatra 90 870 ihany koa mantsy ny isan’ireo traboina, izay avy amin’ny tokantrano 20 980. Nahatratra 34 114 ny olona tao anatin’ny faritra miisa 7 tena lasibatra nafindra amin’ny toerana manokana miisa 115. Efa nisy 66 tamin’ireo “sites d’hébergement” no efa tsy misy traboina intsony na izany aza. Miisa 26 403 kosa ireo trano dibo-drano, raha toa 1073 no simba tao anatin’izany. Mikasika ny vola sy fanampiana samihafa navoaka avy amin’ny BNGRC sy ny sehatra saihafa miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana mba hiatrehana ny fahavoazana kosa dia vola 2 934 000Ar, vary tsinjo (packs) 6 720, vary 216 380kg, voamaina 44 190kg, siramamy 410kg, menaka 4 353 tavoahangy, savony 47 baoritra,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT