Actualités

Mitokona ny Seces Mety tsy hisy ny Bacc


  • Alarobia 15 Jolay 2015

Atahorana ny mety tsy hisian’ny fanadinana bakalorea 2015. Noho ny fanapahan-kevitry ny mpampianatra mpikaroka izay nanomboka nanao fitokonam-be tsv voafetra eran’i Madagasikara dia miato avokoa ny asan’izy ireo mandra-pisy ny fifanarahana vaovao. Isan-taona,ankoatry ny

 

fikarakarana ireo antontan-taratasin’ny  mpianatra dia ny mpampianatra mpikaroka  eny amin’ny oniversite mantsy no mikarakara ny naotin’ireo vao afaka fanadinana bakalorea ka raha mitokona izy ireo dia tandindomin-doza ny bakalorea. Tsy  ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana bakalorea ihany anefa no miaina ao anatin’ny  tebiteby  fa  ireo mpianatra eny  amin’ny  oniversite dia ao anatin’ny fanadinana tanteraka ankehitriny kanefa  dia niato  avokoa izany. Toy ireo mpianatra  Malagasy dia miatrika ity olan ity ihany koa ireo tera-tany  komorianina  izay mandrato fianaran eny Ankatso. “Efa lafo be ho  ahy sy ny ho an’ny   fianakaviako ny  fandehanako mianatra aty Madagasikara  kanefa dia ho very maina izany ny ezaka sy ny fihafiana ara-bola nataonay mianatra aty raha tsy hisy ny fanadinana”hoy  ny   mpianatra avy any  amin’ny nosy Kaomôro iray. Na eo aza anefa izany  fitokonana izany dia nanambara ireto mpampianatra mpikaroka ireto fambola vonona hifanakalo hevitra amin’ny mpitondra hatrany raha tena misy ny finiavan’izy ireo hitady vahaolana.


Andry Ratovo        

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT