MITOKONA NY MPANDROAKA FAKO-SMA

Takian'izy ireo ny fanovan-drafitra


  • Alatsinainy 24 Novambra 2025

ny hiahian'ny fanjakana azy...

Nitokona tsy nety nandroaka fako nanomboka ny Zoma 21 Novambra teo ny mpiasan'ny Société Municipal d'assainissement na ny SMA etsy Ampasapito. Antony maro no nanosika ireo mpiasa ho tonga amin'izany izay mitaky ny fialan'ny tale jeneraliny ny kolonely Ramanahàka Tiana mihitsy. Lohalaharana amin'izany ny fanova n-drafitra. Toraka izany koa ny hamerenana ny SMA ho eo ambany fiahian'ny Fitondram-panjakana foibe mivantana fa tsy ny kaominîna intsony. Tsy latsa-danja amin'ireo ny fanomezana ireo karazana tombontsoa tokony ho azon'ny mpiasa...Avereno ireo mpiasa taloha noroahina tamin'ny fomba tsy ara-dalana hoy ireo namany, hatsaharo ny teritery....Namaly izany ny tale jeneralin'ny SMA ny faran'ny herinandro teo ka nambarany fa efa misy ny ezaka hatao toy ny fampidirana ireo mpiasa ho mpikambana ao amin'ny Ostie sy CNAPS...Nilaza ny hijery ny momba ny karama ihany koa ny tenany izay nambaran'reo mpandroaka fako ireo fa misy tsy voaloha ara-dalana nefa maloto no lalaovina isan'andro.
Pati
Légende : Nisy tamin'ireo no mbola tsy nety niasa tamin'ny faran'ny herinandro teo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT