avy aminay ny famoahana gadra fa didy avy any ambony!
Manohy ny fitakiany ny Mpandraharahan'ny Fonja ka anisan'ny andrandrain'izy ireo ny hahazoana Sekreteram-fanjakana. Tsy mahakasika ny fiainana andavanandro eny amin'ny fonja, toy ny famangiana ireo voafonja, ny adidy toy ny fanaterana sakafo ny tolona izay atao,... « Mbola mijanona ny tsy fandraisana voafonja, ary tsy mamaly ny fandefasana olona handeha hotsaraina. Ny fampidirana am-ponja no tsy atao, fa ny famoahana rehefa misy ny taratasy ara-dalàna avy any ambony dia tsy mahitsy tanteraina», hoy ny Sekretera Jeneralin’ny SPAPM (Syndicat du Personnel d'Administration Pénitentiaire de Madagascar), Atoa Myridin Razafiberison. Namafisiny fa tsy mijanona ny fitokonana raha tsy mahazo valiny mahafa-po dia ny fahazoana Sekreteram-panjakana miadidy ny fandraharahana ny fonja. « Ny fitantanan-draharaha ankampobeny no mikatso, ny resa-bola no tsy mikatso satria misy ny famatsiana ireo fonja maneran’ny Nosy », araka ny fanamafisan’ny solontenan’ny Greffier Comptable eo anivon’ny SPAPM. Ny « service administrative » no mikatso, fa tsy maintsy mandeha koa ny « Service générale » dia ny fiandraketana ny fiambenana sy filaminan’ny fonja, izay miteraka zava-doza raha tsy manatanteraka izany ny tsirairay », raha ny fanamafisan’ny Filoha lefitry ny SPAPM Atoa José Thierry. « Nisy ary efa imbetsaka ny fifampiresahana tamin’ny Filoham-panjakana, ka hatreto dia matoky izahay satria isaky ny mihaona amin’Atoa Filoham-panjakana izahay dia miteny izy fa rariny sy hitsiny ny zavatra angatahinay » ka mahavelom-panantena anay izany, hoy hatrany Atoa José Thierry.
MISY TARATASY ARA-DALANA VAO AFAKA MAMOAKA GADRA
Eo anatrehan’ny resabe sy fanenjehana ny Mpandraharahan’ny Fonja mikasika resaka famoahana ireo mpanao politika migadra, dia nahitsy ny Sekretera Jeneralin’ny SPAPM nilaza fa ny Mpandraharahan’ny Fonja na ny Fandraharahana ny Fonja dia tsy manana fahefana velively hamoaka olona ao anatin’ny fonja raha tsy misy taratasy mazava tsara avy amin’ny manam-pahefana mahefa. « Tsy izahay na finiavana manokana avy aminay no nahatonga an’ireny olona ireny mivoaka ny Fonja fa taratasy avy any ambony, fa izahay dia mpanatanteraka fotsiny, ary aza adino fa ny Fandraharahana Fonja dia rafitra iray fehezin’ny fahefana mpanatanteraka. Rehefa misy taratasy mazava tsara avoakan’ny any ambony hamoahana olona voafonja dia tsy maintsy manatanteraka izahay satria raha misy olona voalaza ara-dalàna fa hafahana kanefa tsy avoakanay lasa fitazonana an-keriny na « détention arbitraire », hoy hatrany ny Sekretera Jeneralin’ny SPAPM. Nampafantatra ny mpanao gazety ihany koa ry zareo "fa lasa nataon'ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Fandraharahana ny Fonja ho fitahirizana sakafon'ny voafonja ny Maputo amin'izao, raha toa ka handraisana ireo nanao ny tsy nety teto amin'ny Firenena no nanokafanay syndicat azy tamin'izany», hoy ny SPAPM. Nanamafy moa ny Mpandraharahan’ny Fonja, fa tsy misy ny gadra politika fa mpanao politika migadra no misy, ary mitovy daholo ny rehetra. Ny 27 febroary 2025 raha tsiahivina no nakatona ny Maputo, ary nosofakan’izy ny herinandro teo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.