Mitohy ny fitsipahana fitrandrahana

«Tsy hahavelona fa hahafaty anay io Base Toliara io!»


  • Zoma 09 Mey 2025

Miantso ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, hidina any Ranobe, Toliara,

hijery ny ala feno Baobab izay arovan’izy ireo ny fikambanana Mazoto, raha ny fanambaràna nataon’izy ireo omaly tolakandro taorian’ny tafa nataon’ny filoham-pirenena ny alahady lasa teo. Tsy hanaiky io tetikasa Base Toliara io izahay satria na ny filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka, aza efa niteny hoe mankarary ny fitrandrahana io fasimainty io, hoy izy ireo. Tsy hihemotra na ho faty izahay fa arovanay ny taninay mba ho an’ny fara mandimby. Ny vola ve no hampanjakàna ka hanaovana sorona ny ain’ireo mponina? Tsy hahavelona fa hahafaty anay io Base Toliara io, hoy hatrany ny Mazoto! Mitohy, araka izany, ny fitsipahana fitrandrahana ataon’ireo fikambanana samihafa milaza azy ireo ho mivelona amin’ny toerana kasaina hanatontosana ity tetikasa ity. Ankoatran’ity Mazoto ity moa dia isan’ny manohitra izany koa ny fikambanana Zanadriaeke sy FIMA na Fikambanana Masikoro Arivolahy eto Antananarivo, tarihin’ny filohan’ny antoko politika Otrikafo, Elia Rabevahiny, raha tsiahivina.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT