Mbola mitohy hatrany ny fandrobanny sasany ny Tiko, orinasanny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, aminizao fotoana.
Ny farany izao dia ny zava-nitranga tany amin’ny Fanampy Rice Mill ao Vohidiala, faritra Alaotra. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia nisy nangalatra ireo motera mampandeha sy mapihodina ireo milina lehibe mpitoto vary ao amin’ity orinasa ity. Ny zoma teo no tsikaritra izany. Efa mialoha io andro io kosa anefa no nitrangan’ny fangalarana, ary araka ny fampitam-baovao voaray dia notsofaina tamina zava-maranitra ireo milina ireo. Ny nahagaga ny olona tany an-toerana dia misy mpiambina andro aman’alina io orinasa io, kanefa dia afaka nanongotra sy nibata ireo motera 2 tena goavana ireo mpanao asa ratsy. Tsy vao izao no nisy naka an-tsokosoko tahaka izany ny entana sy ny fitaovana tao amin’ity sampan’ny orinasa Tiko ao Vohidiala ity fa efa hatramin’ny taona 2009. Efa lasa avokoa, ohatra ireo fiara be fitaterana vary ; ary iarahan’ny rehetra mahita any an-toerana fa mpandraharaha miasa amin’ny sehatry ny fanangonam-bary sy olona akaiky ny manampahefana amin’izao fotoana no mampiasa ireo fiaraben’ny orinasa Fanampy Rice Mill ireo.
Izay ny any Alaotra fa ny eto an-drenivohitra dia efa nalaina an-tsokosoko koa ary novana loko sy endrika ireo fiaran’ny Tiko, maro amin’izy ireny no efa misy mampiasa amin’izao fotoana ho fanaterana entana. Miloko manga ny ankamaroan’ireo fiara be na fiara salantsalany teo aloha nampiasain’ny Tiko, izay marika Mercedes ny ankamaroany, ka lasa ampiasain’ny orinasa hafa ankehitriny. Misy amin’izy ireo no novaina ny laharany, misy kosa ireo najanona tamin’ny laharany teo aloha ka noho izany dia tsy sarotra ny mamantatra azy satria miafara amin’ny 77 avokoa ny laharany, eo koa moa ireo nesorina tsotra izao ny nomeraony.
Mipetraka ny fanontaniana eto hoe avy aiza ny alalana nahafahan’ireo olona na orinasa tonga dia nampiasa ireny fitaovan’ny Tiko ireny ? Tsy nisy anefa ny famarotana ny fiara na fanamboarana ny taratasy famindrana ny fananana. Eo anatrehan’ny lalàna dia azo adika ho halatra tsotra izao izany rehetra izany. Manampy izany dia mahagaga ihany ny fihetsiky ny manampahefana amin’izao fotoana, mijery fotsiny izany tranga rehetra izany fa tsy mandray fepetra, kanefa efa nanaiky ny tao amin’ny HAT tamin’ny fanaovany sonia ny fifanarahana faharoa natao tany Maputo ny volana 8 aogositra 2009 fa hiaro ny fananan’ny filoha teo aloha, izany hoe ny orinasa Tiko sy ny fitaovany rehetra sisa tavela ary ny fianakaviany. Tsy hita taratra mihitsy anefa izany hatramin’izao. Misy sasany amin’ireo olona ambony ao amin’ny HAT aza no sahy naka dia nandoko ary mampiasa soa aman-tsara amin’izao fotoana, ny fiara 4X4 izay fananana manokan’i Marc Ravalomanana mialoha ny naha filoha azy tamin’ny 2001, fa tsy fananam-panjakana velively.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.