ary efa tsy miafina intsony ireo sambo na kely na lehibe mpanao izany. Sambo salantsalany 4 nitondra bolabola manodidina ny 25 taonina no niainga tao Manarara avaratra ny alin’ny 24 aogositra lasa teo ary nihazo an’Antalaha hanatitra ireo hazo sarobidy eny amina sambo lehibe iray an-dranomasina
Mandinika ny tokony hisian’ny fiara fitateram-bahoaka miasa amin’ny alina ankehitriny ny kaominin’Antananarivo Renivohitra. Amin’ny 6 ora hariva ka hatramin’ny misasaka alina no eritreretina fa hiasan’ireto taksibe ireto mba hanala fahasahiranana ireo voatery mody alina.
Hanomboka amin’nyvolana novambra ny vanim-potoan’ny rivodoza aty amin’ny ranomasimbe Indiana ka andro ratsy na rivodoza 26 no vinavinaina fa hiforona manomboka eo.
Ho an’Atoa Edgar Razafindravahy PDS n’Antananarivo renivohitra teo aloha sady kandidan’ny antoko TGV tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, ny vahoaka sy ny mpanao politika no tena tokony hampihavanina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.