Salama tsara tsy misy ahiana intsony ny fahasalaman’i Mitia sy Fitia zazavavy kely roa kambana nitambatra teo amin’ny kibony avy any Vakinankaratra, nodidiana tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny 13 septambra teo.
Fantatra io nandritra ny fampitam-baovao nataon’ny profesora Andriamanarivo Lalatiana sady minisitry ny Fahasalamam-bahoaka nandray an-tanana ny fandidiana voalohany tamin’ny mpanao gazety omaly na dia nananosarotra aza ny fandidiana. Ny atin’izy mirahavavy kely ireto sy ny taolan-tratrany mantsy no tsy maintsy nosarahina satria nitambatra raha araka ny fanazavany. Naharitra ora roa sy sasany ny fandidiana, notronina dokotera mpandidy miisa roa hafa. Efa milanja 7 kg sy 6 kg sy sasany izy mirahavavy kely ankehitriny, salama tsy misy ahiana ihany koa ny reniny. Noho ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ny fanohanana ara-tsakafo azy ireo taloha sy taorian’ny fandidiana moa no nahazoana ny fahombiazana. Tao koa ny fanohanana ara-pitaovana nahafahana nanatontosa ny fandidiana araka ny tokony ho izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.