Zaza roa mahaleotena ankehitriny i Mitia sy Fitia. Tontosa omaly alarobia 13 septambra tao amin’ny HJRA Ampefiloha ny fanasarahana an’ireo kambana mirahavavy ireto.
Nitambatra teo amin’ny kibony izy roa kely, ary nisy fifandraisany ny taovan’izy ireo, dia ny aty. Vitan’ireo mpitsabo Malagasy ny nanasaraka azy roa, tranga izay manaporofo fa mahay ary manana ny maha izy azy ny mpitsabo Malagasy. Tsy vao sambany ny fahombiazana tamin’ ity fanasarahana zaza kambana niraikitra ity. Anisan’ny tontosa tao amin’ny hopitaly HJRA tamin’ny febroary 2009 ny fandidiana nanasarahana an’i Mahalatsa sy Mahagaga, izay zanak’olona saro-piterahana avy any Androy any nentina taty Antananarivo. Zaza dimy volana i Mitia sy Fitia, ary avy any Antsirabe any no fiavian’izy ireo. Mety mbola haharitra ny fanaraha-maso ara-pahasalamana azy ireo, taorian’izao fandidiana izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.