Toeram-pivarotana tao amin’ny Fokontany Ambanivolafotsy sy Ampivarotanomby no notafihin’ny andian-jiolahy mirongo basy nifanelanelana ora iray ny zoma 11 jolay tokony ho tamin’ny 2 ora sy tamin’ny telo ora maraina......
Araka ny nambaran’ilay mpivarotra voaroba tao Ampivarotanomby dia niditra an-keriny sy nandrahona ny tompon’ilay toeram-pivarotana kely izy ireo. Nandositra niafina ireto farany ka nanaram-po naka izay tiany nalainy ireo jiolahy. Very tamin’izany ny vilany lehibe mbola nisy laoka miisa 4, finday 3, bodofotsy iray, lamba iray sakôsy, satroka kasikety sy kitapon’ny mpianatra iray. Nalain’izy ireo koa ny vola 5 alina ariary tao am-pivarotana. Nisy valizy foana iray sy jiro mandeha “pile” iray hadinon’ireo jiolahy.
Tao Ambanivolafotsy indray dia tokony ho tamin’ny 3 ora maraina ny fanafihana ilay toeram-pivarotana. Natory tao anatiny anefa ireo mpivarotra, nanavotr’aina izy ireo rehefa nanapoaka basy in-droa tany ivelany ireo mpandroba. Lasan’ireto mpangalatra ireto ny entana maro toy ny zava-pisotro, bodofotsy, lamba firakotra, fahana finday sy ny vola 340.000 Ariary. Mitentim-bidy valo hetsy Ariary ireo entana very ireo. Naharitra 15 minitra ny faharetan’ny fandrobana tao Ambanivolafotsy ity. Mandeha ny fikarohana ireo mpanao ratsy. Soa fa samy tsy nisy ny aina nafoy tamin’ireo fandrobana ireo. Mbola mikaroka izay nahavanon-doza ny mpitandro ny filaminana ao Ambositra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.