Miteny irery eny an-dalambe

Miha maro, lehilahy ny ankamaroany


  • Alakamisy 19 Desambra 2024

Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.

Raha araka ny hita eny rehetra eny dia Raim-pianakaviana ny ankamaroan’izy ireny, izay tombanana ho miady saina mafy amin’izay azony hatolony ho an’ny ankohonany, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Maro amin’izy ireny noho izany no tsy mahatsiaro saina raha tsy misy mikitika na mandona mafy. Izy sy ny eritreritry no mifampitafa eny an-dalana eny mandrapahatongany any amin’izay toerana alehany. Vokatry ny hasarotan’ny fiainana avokoa raha tsiahivina no antony mahatonga izany. Manampy trotraka io ny tsy fisian’ny asa izay mahazo ny ankamaroan’ny Malagasy. Ny adidy amin’ny fiatrehana ny fiainana anefa tsy lazaina intsony raha tsy hilaza afa-tsy ny fitadiavana ny sakafo hohanina isan’andro, ny fanefana ny hofantranon’olona sy ny vidin-jiron’ny JIRAMA…. Mety hihafara any amin’ny tsy fiverenan’ny saina ho ara-dalàna intsony moa ny fitenenana irery raha diso matetika loatra hoy ny manam-pahaizana iray momba ny saina. Mety ho lasa fahazarana ihany koa izy io ho an’ireo olona efa miaina azy ka ilana fitandremana.
Pati
Legende : Teren’ny fiainana ny ankamaroan’ny Malagasy ka tsy mahatsiaro tena intsony. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT