Nivoaka ihany ny marina ny farany. Tena mbola ho ela vao hivaha ny olana eo amin’ny resaka delestazy satria sady tsy manam-bola hividianana solika ny Jirama, no mbola antitra sy tsy ampy ihany koa ny fitaovana famokarana herinaratra ampiasainy. Niteniteny foana mihitsy anie izany ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny 25 janoary 2014 e ! Sa ve tsy izy tenany marina no nanoratra ilay kabary, ka dia namaky tsy am-piheverana fotsiny izy ?
Fitondrana nilamina aza ny an’i Marc Ravalomanana, tsy nahavita nanafoana ny deletazy tao anatin’ny 7 taona, ka amin’ny fomba ahoana moa no hahafahan’ny fitondrana Rajaonarimampianina izay nandimby krizy 5 taona hanafoana ny delestazy ao anatin’ny enim-bolana ? Fampiesonana marina angamba ireny, propagandy natao fotsiny mba hambaboana ny fon’ny olona, mety teny tsy voahevitra ihany koa noho ny tsy fahaizana tsotra izao. Tahaka izany koa ilay hoe maimaimpoana ny fampianarana ny ankizy eny amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra, dia tsy mba azo nodinihana mialoha ve ireny zavatra ireny izay vao mikabary e ? Izao lany andro mamono afo etsy sy eroa. Mitaintaina ankehitriny ireo ray aman-drenin’ny mpianatra manoloana ny savorovoro ateraky ny fitakian’ireo mpampianatra FRAM satria mety hisy ihany ny taom-pianarana fa arahan-dromoromo, koa dia hitombo ny fahavoazan’ny zaza malagasy. Aiza moa no hahatoky antsika ireo mpamatsy vola, ny mpitondra fanjakana mihitsy tsinona no miteniteny foana eto !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.