Vokatry ny krizy sa inona fa tena ahitana olona adala ao Soanierana Ivongo ao, ary misy tena mamono......
Tahaka ity ramatoa iray ity, izay efa namono nahafaty ny zanany mihitsy ka nofatoran’ireo tompon’andraikitra tao tamin’ny hazo ny tanany, toy ireny natao tamin’ny olona andevo taloha sy ny gadra tany Nosilava ireny. Tsy misy na iray aza mandray andraikitra mampiditra azy eo anivon’ny hopitaly fitsaboana ny marary saina ao Toamasina tampon-tanàna, fa ny famihinana ny tanany amin’ny hazo no hitan’izy ireo ho vahaolana aminy. Ireo milaza azy ho mpiaro ny zon’olombelona koa etsy an-danin’izany toa mitazam-potsiny nefa toa mahazo famatsiam-bola ihany izy ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.