Orinasa sinoa iray mpanamboatra kapa mampiasa akora pilasitika mandoto ny rivotra iainan’ny manodidina ka mampitaraina ny mponina manodidina azy eny Ivato-Ambohidratrimo eny.
Efa nisy ny fitsirihana nataon’ny ekipan’ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ary efa nisy ny fifanarahana fa hanamboatra ireo zavatra simba izay miteraka fofona maimbo ny orinasa ka ny 30 jona lasa teo no fe-potoana hamahana izany olana izany. Tsy nohajain’ilay orinasa anefa ilay fe-potoana, fa vao andro vitsy izay vao nanomboka io asa fanamboarana io izy. Nirotsaka teny an-toerana ny delegasiona notarihan’ny Tale Jeneralin’ny fandrosoana lovainjafy ny 07 aogositra niaraka tamin'ny Tale misahana ny toekarena an-tanety sy an-dranomasina ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna sy ny fifanolanana eto anivon'ny Ministera noho ny fitarainana nataon’ny mponin’Ivato amin’ny fofona maimbo sy kotaba amin’ny alina ao amin’ity orinasa ity ka manakorontana ny manodidina. Nampiantso ny tompon’andraikitr’ilay orinasa ny Ministera mba ahafahana miroso amin’ny fandraisana fepetra hentitra hampanara-dalàna ny famokarana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.