Tsy misitraka ny zony amin’ny ankapobeny ireo olona manana fahasembanana eto amintsika. Lohalaharana amin’izany ireo manana olana ara-pahitana na ny jamba, indrindra fa ny vehivavy.
Miisa valo izy ireo hatreto no nisy nanolana tao an-tokantrano rehefa nipetraka irery noho ny tsy fahafahany mianatra ka nisy mihitsy ireo bevohoka tsy fidiny, araka ny fanazavan-dRadafiniantsoa Josoa, tale mpanatanteraka eo anivon’ny vovonan’ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara na ny PFPH. Ankoatra izay, mbola vitsy ireo olona jamba no afaka mianatra satria dia tsy misy afa-tsy valo ireo sekoly afaka mandray an-tanana azy ireo manerana ny Nosy. Porofon’izany hoy izy dia jamba miisa sivy monja no mba afaka nanala baka tamin’ity taona 2017 ity raha vitsivitsy ihany koa ny tany Ambositra. Lafo ny vidin’ny milina braille izay mahatratra 400 dolara ny iray nefa ratsy kalitao raha mahatratra 900 hatramin’ny 1000 dolara kosa ho an’ireo vita Amerikanina nefa tsy takatry ny fahefa-mividin’ny ray aman-dreny. Mikasika ny asa indray dia nomarihiny fa jamba efatra na dimy monja izy ireo hatreto no mba miasa ara-dalana manerana ny Nosy raha mahatratra 2 hetsy ny isan’izy ireo manerana ny Nosy. Hankalazaina anio alarobia 4 oktobra ny andro maneran-tany ho an’ny olona manana olana ara-pahitana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.