Mitaraina amin’ny

mpitondra ireo mponina ao Androy


  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Tonga teto Antananarivo indray ireo mponina ao Lapeloha Tsimirimbo, kaominin’Ampamata, distrikan’Antanimora atsimo, faritra Androy, hitaraina amin’ny fitondràm-panjakàna foibe manoloana ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana. Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana ao Androy, hoy izy ireo. Ny 29 desambra 2017 dia notafihin’ny dahalo ny toerana voalaza ka omby miisa 124 tanatina vala miisa 5 no lasa. Lehilahy antsoina hoe Vorieto, mipetraka ao Aborano, no nody niditra tao an-tanàna ny tolakandron’io 29 desambra io. Nitilitily ny manodidina, indrindra, ny fitoeran’ny basin’ireo mponina izy. Tamin’ny 5 ora harina io vao nody ary nitondra ireo dahalo hanafika nanomboka tamin’ny 9 alina. Nanara-dia ny fokonolona saingy resy tosik’ireo dahalo nampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika. Matin’izy ireo ny zanaka lahin’ny lehiben’ny fokontany. Natao teo anivon’ny fokontany taorian’izay ny fanambaràna omby very. Natao teo anivon’ny kaominina ihany koa izany ny 4 janoary 2018. Nisy nahita, araka izany, fa tanosy no nitarika ny fanafihana ka tapa-kevitra ny raiamandreny tao an-tanàna hitarika fampihavanana teo amin’ny tandroy sy tanosy. Tsy nety ireo tanosy. Nosamborina ilay lehilahy antsoina hoe Vorieto saingy niteny ny ben’ny tanàna lefitra tao amin’ny kaominina nisamboràna azy hoe avotsory! Navotsitra tao amin’ny tsenan’Ampamata i Vorieto. Nanome fe-potoana na «ultimatum» i Samboraha ao Iaborano hoe «Hitanareo fa hilalao ny ankizy!», izany hoe, hanafika. Nanao taratasy fanankinan’aina na «plainte de réserve», noho izany, ny lehiben’ny fokontany very omby. Tsy nisy tohiny nefa ny raharaha. Niverina indray ny fanafihana ny taona 2022, tamin’ny 11 alina. Omby 22 teo indray no very. Ny lehilahy antsoina hoe Sambilahatse, izay nifanao fanekena tamin’ny filoham-pokontany nefa no tratran’ny fokonolona nitsirika tamin’io 11 alina io. Nentin’ny zandarimaria tao Ampamata izy. Nampanozon-tena an’i Sambilahatse ireo fokontany miisa 55 ao amin’ny kaominina. Nankany amin’ny zandarimarian’i Betsiriry avy eo i Sambilahatse ka nampisambotra lehilahy antsoina hoe Moussa Manohintsoa. Nampangaina ho nanoro ny misy ny omby io. Notifirina tao Ampamata i Manohintsoa nefa tsy nisy adisoina nataony. Dahalo indray no nitondra zandary hamono tompon’omby. Ny martsa 2026 teo no niakatra teto Antananarivo hitaraina amin’ny manam-pahefàna mahefa ny lasibatra. Niala tao Ampamata saingy teny an-dalana dia efa nahazo antso hoe miverena saingy tsy nety. Na ny fandevenana ny zanany aza tsy nataony. Mbola nanafika tamin’io fotoana io. Vilany miisa 1400 no very, sotro 2000, lamba 1200. 20 lahy no niverina niaraka tamin’ny zandary miisa 15 avy eo ka ireo lasibatra indray no lasa voapanga ho mpangalatra sy nitsaoka tao an-tanàna, hoy hatrany ireto mponina ireto sady nitaraina tamin’ny fitondràm-panjakàna mahefa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

  • Fanimbana fananana iombonana
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mampigadra 1 ka hatramin’ny 5 taona

Hijery ny tohiny
FTT