Misy misitery ny doany Bevonotra ao Sambava ?

Vehivavy iray indray no natelin’ny rano avy eo nanjavona


  • Talata 30 Jolay 2024

Vehivavy iray no nanjavona tsy hita popoka omaly alatsinainy 29 jolay nandritra ny fombafomba

tao amin’ny doany tao Bevonotra. Tonga tamin'ny 04ora maraina, handeha hanatanteraka fombafomba, fanokafam-baravaravana, fanadiovana ny loto, fanomezam-boninahitra ny razana ny rehetra. Teo amin’ny Doany eo amin’ny vinanin-drano no nanaovana ny fisekana. Efa niantrana ny mpiseky rehetra, kinanjo mbola tsy vita akory ny dingana rehetra izay arahina dia efa nidina tao anaty rano Mbola tsy vita ny fombafomba, dia nivarina an-drano Rtoa Miliètte na maman'i Thélèse ka nilentika anaty rano Bemarivo ao izay maty lasany rano mbola tadiavina io hatramin'izao. Voalaza fa nihetsika nialoha ny trombany. Voalaza ihany koa fa tsy vao izao ity toerana ity no nahafaty olona fa efa nisy tovolahy iray antsoina hoe Mpisony avy ao amin’ny Secteur Andampihely ihany koa latsaka teo ary tsy hita hatramin'izao, efa ho 10 taona lasa izay, raha ny fanazavana. Asa na ho hita Rtoa Miliètte na hanao ahoana fa raha ny fanamarihana, dia toa hita tsy dia lalina loatra ny, ary madio mangaraharaha. Misy zavatra sarotra hazavaina sy feno misitery ?
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT