Miss world 2024

Tsara fanombohana i Antsaly Rajoelina


  • Zoma 23 Febroary 2024

Tsara ny vokatra hatreto ho an’i Madagasikara eo amin’ny fifaninana

Miss world » andiany faha-71 tanterahana any Inde. Marihina fa miisa 70 ireo mpandray anjara ao anatin’izany, ka isan’ireo mifaninana amin’io, misolo tena an’i Madagasikara i Antsaly Rajoelina. Ho an’ny omaly, nahazo fandresena ny tenany teo amin’ny hazakazaka ka tafiditra ao anatin’ny « top 32 » amin’ny fifaninana «sport challenge », ary tafiditra ao anatin’ny « finaliste top 25» ihany koa ao anatin’ilay hoe : « head to head challenge ». « Faly mampahafantatra anareo aho hoe tafiakatra « finaliste Top 25 » ihany koa isika amin’ny fifaninanana « Head-To-Head challenge », ka anio ny famaranana amin’io sokajim-pifaninanana io. Ny fifanintsanana dia natao tamina horonan-tsary momba ny G20 ary tamin’ny fanolorana ny « Beauty With A Purpose » izay notanterahina omaly ihany koa. Mahay ny zava-drehetra Jesosy, izy no manome fahaizana sy fiadanam-po rehefa manatanteraka zavatra », hoy i Antsaly Rajoelina omaly nampita sy nitatitra io fahombiazany io. Ny « Beauty with a purpose » moa dia ny hatsaran’ny tetikasa heverin’ilay mpifaninana fa hotanterahana aoriany, izay mifototra amin’ny fanasoavana fiarahamonina na vondrom-piarahamonina amin’ny ankampobenyAlefa Madagasikara !
Nangonin’i Toky R.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT