drahona ny fanombohana…
Nisokatra ofisialy omaly 20 novambra ny taom-piotazana litchi any amin’ny faritra Atsinanana. Efa mifanaretsaka ireo mpisehatra samihafa. Efa vonona ihany koa ny Sambo hitondra izany mankany ivelany, ka efa miantsona ao Toamasina amin’izao fotoana izao ny Sambo goavana Atlantic Klipper. Ny orinasa SMMC kosa no misahana ny fibatana ireo lItchi mankao anaty sambo. Efa vonona izy ireo, ary nanambara fa nanatsara ny fomba fiasany tamin’ity taona ity, hoy ny tatitra ara-baovao. 15000 taonina eo ny fanondranana heverina fa hatao, ka raha 1000 Ariary ny kilaony teo aloha dia lasa 2150 Ariary izany. Nandritra ny fitsidihana sy ny fanokafana ny taom-piotazana nataon'ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MCC) tao Toamasina II no nahitana fa tsara ny kalitao sy ny vidiny tamin'ity taona ity, hoy hatrany ny fanamarihana. Ny fitsirihana nialoha natao tamina fototra litchis 1500 isa mahery ihany koa moa no nahitana fa tsara ny kalitao, raha ny fizaram-baovao natao teto. Zava-dehibe izany, saingy andaniny dia nosembanin-drahona ihany ny fanombohana ny taom-piotazana. Nirehitra mantsy ny orinasa EMEXAL, mpanondrana litchis, tao Analamalotra, Antetezambaro, Toamasina, omaly maraina. Araka ny tatitra avy eny an-toerana, fandoroana niniana natao no nahatonga ny loza. Voalaza fa may avokoa ny entana rehetra tao amin’ilay orinasa, ka tombanana ho manodidina ny 1 miliara Ariary ny fahavoazana. Efa mandray andraikitra amin’ny fanadihadiana ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritra Toamasina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.