Notanana am-ponja vonjimaika ny ben’ny tanàna teo aloha tany amin’ny kaominin’i Betroka Faritra Anosy, Atoa Jocelyn, noho ny fanelezana tsaho ampahibemaso nilaza fa ao ambadiky ny tsy fandriampahalemana miseho any Betroka ankehitriny ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas voafidy tany an-toerana.
Nitory azy ity farany noho io fanelezana tsaho nataony io. Rehefa natao ny fanadihadiana dia tsy nitombina velively izay voalazany ary mbola niantso vahoaka hanao fihetsiketsehana miaraka aminy izy mba hiavotany. Voatery ny lehiben’ny fampanoavana any amin’ity distrika ity nampiditra vonjimaika azy am-ponja hiandry ny fitsarana atao aminy. Voamarin’ny OMC any an-toerana ny fisian’io famorian’olona nataon’Atoa Jocelyn io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.