Misaona ny tontolo politika

Nodimandry ny PM Tantely Andrianarivo


  • Zoma 01 Septambra 2023

Misaona indray ny tontolo politika malagasy! Nodimandry omaly tolakandro tany Frantsa teo amin’ny faha 69 taonany,

raha ny fampitam-baovao voaray, ny praiminisitra teo aloha, René Tantely Gabrio Andrianarivo, fantatra tamin’ny hoe Tantely Andrianarivo. Praiminisitra namarana ny fitondran’ny Amiraly Didier Ratsiraka nanomboka ny 23 jolay 1998 hatramin’ny 31 may 2002 ny tenany. Namarana ny fitantanana ny repoblika faharoa nialohan’ny niampitana tamin’ny repoblika fahatelo na ny fitondrana Ravalomanana izy, araka izany. Efa minisi-panjakana nisahana ny indostria, ny angovo, ny harena an-kibon’ny tany. Avy eo nampanankinin’ny praiminisitra tamin’ny fotoan’androny, Pascal Rakotomavo, ny minisiteran’ny toekarena sy fitantanam-bola ny 27 febroary 1997 rehefa lany ho filoham-pirenena indray ny amiraly ny taona 1996. Mpikamban’ny antoko politika Arema ary azo lazaina ho tena nanamarika ny tantaram-pirenena, indrindra, tao anatin’ireny raharaha 2002 ireny. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra ny gazety Tia tanindrazana.
ENCADRE
“Very Raiamandreny sangany isika. Miondrika am-panajana ny tenako sy ireo mpiara-dia ato amin'ny FTT (Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana), manoloana ny vaovao mampalahelo izay nahafatesan'ny Praiminisitra teo aloha Tantely ANDRIANARIVO .Anisan'ireo olona manam-pahaizana Malagasy, niara-nidinika momba ny vina entitsika izy ary nanampy tamin'ny fandrafetana izany. Rariny loatra raha manome voninahitra azy ny tenako manoloana izao fahalasanany izao. Mandria am-piadanana "Zoky"”, hoy I Tahina Razafinjoelina Kandidan’ny FTT omaly, eo anatrehan’ny fahalasanan’ity Praiminisitra teo aloha ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT