Nodimandry teo amin’ny faha 35 taonany omaly ny namana mpanao gazety eo anivon’ny Onjampeo Feon’Imerina, Hariniaina Tahiana Andrianarimanana na Tahiana Andrianarimanana.
Efa notsaboina nandritry ny herinandro teo tetsy amin’ny Hopitaly Befelatanana ny lehilahy saingy noho ny fahasemporana nahazo azy dia tsy tana intsony omaly ny ainy, hoy ny fanazavan’ireo akaiky azy. Namela mananontena sy kamboty 3 mianadahy moa izy tamin’izao fahalasanany izao. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.