Misaona indray ny tontolon’ny fanaovan-gazety Malagasy satria dia nodimandry omaly maraina ny andrarezina, Léon Razafitrimo, fantatra tamin’ny solonánarana hoe Léon Raz.
Nolalovana tsy fahasalamana nandritry ny andro maromaro ny tenany, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny fianakaviany. Nahavita be teo amin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety nandritry ny taona maro izy raha nanomboka ny taona 1960 ary isan’ireo niara-namerina ny gazety Madagascar Matin ny taona 2010. Ny tontolon’ny gazety an-tsoratra no tena nifotorany ary ny vondron’orinasa fanaovan-gazety Ultima media, misy ny gazety Taratra, Les Nouvelles, Bôjy ary Alliance 92 izy, izay tarihin’ny fianakaviana Andriatsitohaina, no azo lazaina ho nilomanosany farany tao anatin’ny fanaovan-gazety. Efa tonian’ny fanoratana teo anivon’ny gazety Courrier de Madagascar ihany koa ny taona 2014 – 2015 ary talen’ny famoahana teo anivon’ireo gazety anatin’ity vondrona ity. Ny famakafakana politika sy raharaham-pirenena no tena niantsorohany teo amin’ny fanoratany ary isan’ny fambarany matetika amin’ireo mpanao gazety tanora efa nandray ny fampianarany ny hoe “ zava-kanto ny fanaovan-gazety”. Mirary fiononana feno sy mankahery ireo akaiky azy rehetra ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.