Actualités

Misaona ny fanaovan-gazety malagasy Nodimandry i Liva Andriamananjara - VIVA


  • Talata 04 Aprily 2023

Hatairana ny nandre fa nodimandry omaly tolakandro ny namana mpanao gazety ara-panatanjahantena tao amin’ny haino aman-jery rahavavy Viva, Livamalala Andriamananjara na Liva Andriamananjara.

Nisakafo tamin’ny toeram-pisakafoana iray teny Alarobia izy, raha ny fampitam-baovao voaray, no nianjera. Sendra niantso azy ny namana mpiara-miasa no olona hafa no nandray ny finday sy niteny hoe nitsirara ato ity olona ity. Nandeha nijery azy haingana ny fiara tato am-piasana, hoy hatrany ny fitantaran’ny mpiara-miasa aminy. Nentina tany amin’ny mpitsabo saingy tsy efa namana intsony. Teraka ny 14 desambra 1989 ny tovolahy, izany hoe tokony nandia ny faha 34 taonany tamin’ity taona ity no izao folaka an-datony izao. Nanomboka ny taona 2012 ka hatramin’iny omaly iny izy dia mpanao gazetin’ny Viva hatrany fa tsy mbola tany an-kafa mihitsy. Namana tia sangisangy sy tsikitsiky no nahalalan’ireo niara-niriaria taminy. Namela mpitondra tena sy zanaka vavy kely iray moa Itompokolahy. Mankahery sy mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT