Actualités

Misaona ny asa fanaovan-gazety Nodimandry i Lôlot Ratsimba


  • Alakamisy 25 Jona 2020

Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry omaly alarobia 24 jona 2020 teo amin’ny faha-54 taonany i Ratsimba Nambinintsoa Solomon na Lôlot Ratsimba no anarana nahafantarana azy teo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety.

 

 Niasa tao amin’ny Radio Fahazavana, Top Radio izay ato amin’ny vondrona Vidy Varotra misy ny Tia Tanindrazana, ary tao amin’ny Radio Vakiniadiana no niasany farany talohan’ny nahalasany. Efa fotoana elaela izy no tsy salama, ary efa somary nihatsara. Sempotra anefa izy omaly maraina ka nentina teny amin’ny Sampana Vonjy Aina tao amin’ny HJRB Befelatanana, saingy indrisy fa tsy tana ny ainy. Isan’ireo mpanao gazety nanaraka sy nampita nivantana ny vaovao manodidina ireo fifampidinihan’ireo ankolafy politika teto Madagasikara sy tany Afrika (Maputo, Addis-Abeba, Gaborone…) sy ireo fifanarahana nandaminana ny olana politika taorian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 i Lôlot Ratsimba. Naiditra am-ponja in-droa nisesy tamin’ny fitondrana tetezamita. Nosamborina tamin’ny raharaha fiokoana miaramila teny amin’ny RAS (Régiment d’Appui et de Renseignement) Ampahibe ny 29 desambra 2009 i Lôlot Ratsimba sy ny Talen’ny Radio Fahazavana, Didier Ravoahangison, tamin’izany, sy ny 20 mey 2010 nisian’ny fiaraha-mivavaka nokarakarain’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana na HMF teny amin’ny Mausolée, izay nisamborana ireo mpiasan’ny Radio Fahazavana folo mianadahy, ankoatra ireo Mpitandrina sasany tao amin’ny HMF. Namela mananotena izy sy kamboty mianadahy kely tsy ampy taona. Eny amin’ny trano fonenany Nanisana Ambatobe ny nofo mangatsiaky, ary halevina rahampitso zoma eny Talatan’i Volonondry. Miombon’alahelo sy mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviana ny Gazety Tia Tanindrazana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT