Mirongatra be amin’izao fotoana izao ny antsoina hoe «Punaises de lit» na haom-pandriana,
raha ny fitarainana voaray amina faritra maro, toy ny eto Antananarivo renivohitra. Araka ny fanazavàna dia tsy noho ny havoretrana akory no mahatonga azy io fa noho ny fifanakalozana samihafa maneran-tany miaraka amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana nanomboka ny taona 2000. «Cimex lectularius» moa no anarana siantifikan’izy ity, raha ny fanazavàn’ireo manam-pahaizana. Amin’izay maha haom-pandriana azy izay dia eny am-pandriana no ahitàna azy itony. Sokajin’ireo bibikely kantsetsitra ihany koa izy ireo. Izany hoe mitsetsitra ran’olombelona, izay maharitra 15 na 20 minitra any ho any mihitsy. Maharitra 1 taona sy tapany hatramin’ny 2 taona ny taha-pahaveloman’ity bibikely ity, arakaraky ny hatsaran’ny toerana onenany, hoy hatrany ny fanazavàn’ireo siantifika. Misy fomba azo hanafoanana azy itony dia karibonetra 1 sotro fihinana, leviora simika 1 harina tsy lena, sira 2 sotro, rano 1/4 litatra, hoy ny fijoroana vavolombelon’ny renim-pianakaviana iray. Ahontsana sy atsifitra amin'izay misy biby sy misy atodiny amin'ny fandriana ao anatin’ny 3 andro misesy izany, hoy hatrany ny fanazavàna, raha tiana hisy vokany.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.