Actualités

Miroborobo ny famotsiam-bola Kaonty 48 no nakaton’ny SAMIFIN tamin’ny 2013


  • Sabotsy 19 Jolay 2014

Araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Samifin Razaraniaina Jean Claude dia kaontim-bola tany amin’ny banky miisa 48 no nakatona tamin’ny 2013 noho ny resaka famotsiam-bola na fanadiovana vola maloto

Nolazainy ihany koa fa ny resaka tsenam-panjakana (marché public)  eny amin’ny minisitera maro samihafa, ireo sampandraharaham-panjakana ary ny faritany no tena nahitana kolikoly tamin’iny taon-dasa iny, ka nahatratra 1,1 miliara ariary ny vola nofotsiana tamin’izany. Raha ny fanazavan’ny Pr Razaraniaina Jean Claude dia efa mahafantatra mialoha ny tsena mety hivoaka ireo mpiasa sasany ao amin’ny ministera mikarakara ny resaka tsenam-panjakana ka avy hatrany dia mampandre ireo olona akaiky azy. Manangana sarintsarina orinasa izy ireo avy eo, ary iny orinasa iny no mifaninana amin’ny fahazoana ilay tolobidy nivoaka. Nomarihan’ny Samifin ihany koa fa manomboka mahazo vahana eto Madagasikara ny fandefasana vola tsy mazava na tsy fanta-piaviana amin’ny finday, noho ny firoboroboan’io fomba fiasa vaovao io eto amintsika. Mifandraika amin’ireo tatitra efa nataon’ny birao mahaleotena enti-miady amin’ny kolikoly na Bianco izao resaky ny Samifin izao ary manaporofo hatrany fa niroborobo ny kolikoly sy ny afera maizina ary ny famotsiam-bola teto Madagasikara hatramin’ny nisian’ny krizy ary misy ny manampahefana mangoron-karena amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy manao izany. Tsara ho fantatra fa feno 6 taona izao no niasan’ny Samifin.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT