« Izay manome rà, manome Aina ». Nanatanteraka izany an-tsitrapo ireo tompon’andraikitra ambony maro sy ny mpiara-miasa isan-karazany eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
Nifamotoana tao amin’ny «Bâtiment Plan» Anosy izy ireo omaly alakamisy 22 oktobra, taorian’ny fanentanana nokarakarain’ny Foibem-pitondrana Ankapobe ny Toekarena sy ny Teti-pivoarana niarahana tamin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo eo anivon’ny Ministera. Natao izao hetsika izao, hoy izy ireo, ho fitsinjovana ny mpiara-belona sy ho anjara biriky entina eo amin’ny asa sosialy sy fanomezan-tànana maimaim-poana ny “Banque de sang” an’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha Antananarivo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.