Actualités

Ministeran’ny serasera sy ny OJM Miitatra ny disadisa sy ny fifandirana


  • Talata 13 Oktobra 2020

Mitohy sy mihalalina ny lonilony eo amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK) andaniny, ary ny Holafitry ny Mpanao Gazety (OJM) ankilany.

 

 

 Nilaza ny OJM omaly, fa tandindomin-doza ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, tsy takona afenina intsony ny fikasàn’ny fanjakana, avy amin’ny alàlan’ny MSK ny hanao fahirano ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara,... Voakasik’izany ny fanomezana karatra maha-matihanina. Raha toa ka mbola nitory teny anivon’ny Filan-kevim-panjakana ny OJM satria tsy nanaja ny didim-pitondrana lah. 24-931 tamin’ny 04 novambra 2019, izay nosoniavin-dRtoa Minisitra ny fametrahana ny vaomiera iraisana mpanome karatra ny mpanao gazety matihanina dia nivoaka hanan-kery ny lalana 2020-006 nanova ny andininy sasany tamin’ny lalana teo aloha 2016-029 ankehitriny, ary dia nataon’ny MSK izay nanovàna avy hatrany ny andinin-dalàna mahakasika ny OJM. Tsy nifanarahana tany amin’ny fakan-kevitra natao isam-paritany nanomboka ny 18 martsa 2019 hatramin’ny aogositra 2019 anefa io fanovana « nasisiky ny minisitera tao anaty lalàna io », hoy ny OJM. Araka ny nifanarahana hatrizay sy tao amin’ny lalàna teo aloha kosa, dia ny OJM no tompon’antoka amin’ny fametrahana ny Kaomisiona manome karatra izay hahafahana miroso amin’ny fifidianana sy handaniana ny birao vaovao, saingy tsy ho afa-mikitika. Milaza fa firenena demokratika sy mandàla ny fahalalahana maneho hevitra, ary koa ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny mpanao gazety isika kanefa ny Fanjakana no manome karatra ho an’ny mpanao gazety,…. koa nisafidy am-pahendrena ny hisintaka tanteraka amin’io fanamboarana karatra io ny mpikamban’ny OJM, ary dia avela malalaka ny Fanjakana avy amin’ny MSK ny hanatontosa izany, arak’izay faniriany hatramin’ny nahazoan’ny minisitra ankehitriny ny toerana, hoy ny OJM. Andrasana kosa izay mety ho setriny avy amin’ny MSK.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT