Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vakansy lehibe isika ankehitriny. Na izany aza anefa dia betsaka amin’ireo ankizy sy tanora no tsy mba afaka mivoaka ny renivohitra,
noho ny antony maro samihafa, antony nanosika ny Ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra hanome “connexion” maimaim-poana ho azy ireo. Etsy amin’ny CMDELAC Analakely no toerana hanatanterahana izany, nanomboka afak’omaly alarobia, hifarana ny 15 septambra ho avy izao, isan’andro manomboka amin’ny 09 ora maraina ka hatramin’ny 04 ora sy sasany hariva. Solosaina miisa dimy sy tablette folo ary lap top maromaro no azo ampiasaina amin’izany. Tsy voafetra ny ora hahafahan’ireo ankizy sy tanora mampiasa izany, saingy rehefa tena milahatra be kosa dia ferana hatramin’ny 30 minitra isaky ny olona iray ihany, araka ny fanazavan’Atoa Andrianjafy Dina, teknisiana iray avy eo anivon’ity Ministera ity. Misy moa ny fanaraha-maso ataon’ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Ministera, mandritra izany, mba hahatonga ireo ankizy sy tanora ireo tsy hihoa-pefy ka hanararaotra hijery ireo karazana cite hafa. Tsy mijanona ho an’Antananarivo irery izao hetsika izao fa miparitaka manerana ny faritra mihitsy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.