Actualités

Ministeran’ny fitsarana Araha-maso akaiky ny fandraharahana ny fonja


  • Alatsinainy 12 Jona 2023

Nampivory ireo komisiona mandrindra ny famindran-toerana ny Mpandraharahan'ny Fonja ny Minisitry ny Fitsarana Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana,

Rtoa Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana ny zoma 09 jona teo, teny amin’ny Biraon’ny Minisitera teny Faravohitra. Nanotrona izany ireo Tekinisianina manana andraikitra amin'izany. Hita mantsy fa misy ireo Fonja misedra olana eo amin'ny tsy fahampian'ny olona ka tsy maintsy mandrindra izany, araka ny tokony ho izy ny eo anivon'ny Minisitera. Tanjona ny hisian'ny fifadanjana eo amin'ny fanatanterahana ny asa. Nanamarika ny Minisitra fa ny toerana rehetra hiasana dia mendrika avokoa. Tato ho ato, henjakenjana ny zava-mitranga tamin’ny fonja maromaro teto amin’ny Nosy, toy ny fisiana gadra mikasa handositra nisesisesy tamin’ny fonja maromaro, ny fitsirihana nataon’ny Minisitra teny Antanimora izay nahitana tsy fahatomombanana toy ny tsy fitovian’ny isan’ny voafonja sy ny voasoratra anaty firaketana, ny tsy fisian’ny olona tazonina am-ponja tsy misy fanamarinana mazava,… Vao tsy ela ihany koa moa no nandalo teto ireo iraka avy amin’ny Firenena Mikambana, izay nitsirika sy nanara-maso ny resaka zon’olombelona ho an’ireo olona voatazona am-ponja.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT