Actualités

Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana Nanao tomban`ezaka an`ireo mpiasa


  • Talata 20 Oktobra 2020

Mizara telo ny tomban`ezaka nataon` ny minisiteran`ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (MAEP) tamin`ireo mpiasa manana mari-pahaizana Bacc+5:

voalohany, ny fahafantarana ny maha izy azy; faharoa, ny fijerena ny fahaiza-manao sy ny traikefa ananany; ary farany dia ny fifampitafana manokana izay hotontosaina amin’ ny fotoana tsy ho ela. Hahafahana manatanteraka izany dia ny fahafantaran’ ireo mpiasa ny andraikitra sy ny asa lehibe tandrify ny tsirairay izay miandry ny ministera. Ilana fiaraha-mientana ho an'ny mpiasa ao anatiny ihany koa izany izay misandrahaka amin'ireo sehatra telo lehibe. Tanjona moa dia ny ahafantaran’ ny tsirairay ny traikefany sy ireo andraikiny ho an’ ny fampandrosoana ny firenena. Maro ireo fanamby sy tanjona napetraky ny fitondram-panjakana ho fampandrosoana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ka mila miroso haingana amin’ ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana ireo ny MAEP.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT