Hihemotra ny fitokanana ny asa fanarenana Ny Rova sy ny kianja Masoandro, hoy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Andriatongarivo omaly.
Efa vita ny fifanarahana tamin’ny orinasa manao ny asa, saingy isika tsy hanao ny fitokanana noho ny hamehana ara-pahasalamana. Tsy atao kitoatoa ny fitokanana, fa heverina hatao any amin’ny 14 oktobra. Misy ihany ny koa ny soso-kevitry ny komity siantifika amin’ny 6 novambra izay tsingerin-taonan’ny fahamaizan’ny Rova fa miankina amin’ny Filohan’ny Repoblika io, hoy ny Minisitra. Namaly ny fitorian’ny Antenimieran’ny Andriana eto Imerina na ny AOM eny amin’ny Filankevi-panjakana ihany koa ny Minisitra. Takian’izy ireo moa ny fampitsaharana ny asa fandravana ny Kianja Masoandro, ary eo ihany koa ny fanafoanana ny didim-panjakana manendry ireo komity siantifika. “Tsy mino aho hoe manana fahefana amin’izany ny filankevi-panjakana satria mila fantatra mazava hoe inona no antony satria raha ny lalàna dia tsy misy antony mihitsy afahafana miteny fa tokony horavana ilay toerana hatreto, ka angamba mila fanadihadiana lalindalina kokoa hoe inona no antony natolotr’izy ireo”, hoy ny karazna fanehoan-kevitra sy valy bontana avy amin’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.