haino aman-jery tsy ara-dalàna”
Tontosa tao anatin’ny fihavanana sy fifanajana ny lanonana famindram-pitantanana teo amin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina vaovao, GASCAR Fenosoa, sy ny Minisitra teo aloha, Rtoa Mara Donna. Nanambara mazava ny Minisitra vaovao fa fotoanan’ny asa izao, fa tsy kabary intsony. “Anatin’ny vanim-potoan’ny tetezamita isika izao. Mila fiovana haingana, mila vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’ny roa volana ny vahoaka Malagasy,” hoy izy. Nampanantena ny Minisitra fa tsy hisy intsony ny fizarazarana amin’ny hoe ekipan’i Lalatiana, ekipan’i Augustin, na ekipan’i Mara Donna na ekipan’i Gascar,... Mpampihavana no andraikiny, ary asa ho an’ny vahoaka no tanjona. Araka ny toromarika avy amin’ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblika Kolonely Michael Randrianirina, dia ho laharam-pahamehana ny famahana haingana ireo olana nisy teo amin’ny sehatry ny serasera sy ny kolontsaina. Nanipika fa tsy ekena ny kolikoly, mijanona avokoa ireo fomba fanao tsy nety izay nahatonga ny vahoaka hitaky fanovana… Nahitsy ihany koa ity Minisitra ity amin’ny fanadiovana sy fampanarahan-dalàna ireo haino aman-jery, ka nilaza sy nampiomana fa « hajanona avokoa ireo haino aman-jery tsy manara-dalàna, aorian'ny fanadihadiana izay hatao ». Eo amin’ny sehatry ny serasera hatrany, nilaza fa hojerena manokana ny fanatsarana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Ho an’ny kolontsaina, dia hojerena manokana ny momba ny OMDA, ny olan’ny mpanao sarimihetsika, ary kasaina ny hametrahana daty tokana ho fankalazana ny taom-baovao Malagasy, ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama, araka ny ampahan’ny valan-dresaka nataon’ity depiote ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.